<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>679</hymn_number>
<title>Moa te-hiara-dia? FFPM679</title>
<lyrics>[V1]
 « Moa te-hiara-dia ?
 Moa te-hiara-dia,
 O, ry havana malala,
 Ho ao Kanana izao ? »
 « Eny, te-hiara-dia,
 Eny, te-hiara-dia,
 Fa antsoin'Ilay Mpamonjy
 Ho ao Kanana izao ! »
 // Dera, dera, haleloia ! //
 An'Andriamanitsika
 Izay ao ambony ao.

[V2]
 Kristy re no lalantsika,
 Vatolampy, arontsika,
 Izy no mitondra antsika
 Ho ao Kanana izao.
 Tano izahay ry Tompo,
 Hatanjaho ny mpanompo,
 Ka tsilovy ny haleha
 Ho ao Kanana izao !
 // Dera, dera, ..sns. //

[V3]
 Tazana erý sahady
 Perla re ny vavahady,
 Volamena ny tanàna
 Erý Kanana erý.
 E ! hahita ny Mpamonjy,
 Ka hifaly fa tra-bonjy,
 Sy hidera re ny vonjy
 Erý Kanana erý.
 // Dera, dera, ..sns. //</lyrics>
</song>